Joel 2:16 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Angony ny vahoaka! Manamasìna ny fiangonana! Vorio ny zokiolona, angony ny ankizy madinika mbamin’ny zaza minono; aoka ny mpampakatra hiala ao an’efitranony, ary aoka ny ampakarina hiala ao an-trano fandriany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Eho ny vahoaka, miantsoa fivoriana masina, angony ny anti-panahy, vorio ny ankizy madinika, sy ny zaza minono. Aoka ny mpampakatra handao ny efitranony, ary ny ampakarina ny trano lainy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Atobio miaraka ny vahoaka, manokàna fotoana hiangonana. Vorio ny antitra sy ny tanora hatramin’ny zaza minono; aoka handao ny efitranony ny mpivady vao.
Malagasy Bible 1865
Angony ny vahoaka, manamasina fiangonana, vorio ny loholona, angòny ny ankizy madinika mbamin'ny zaza minono; Aoka ny mpampakatra hiala ao an-efi-tranony, ary aoka ny ampakarina hiala ao an-trano fandriany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Angony ny vahoaka! Manamasìna ny fiangonana! Vorio ny zokiolona, angony ny ankizy madinika mbamin’ny zaza minono; aoka ny mpampakatra hiala ao an’efitranony, ary aoka ny ampakarina hiala ao an-trano fandriany.
malagasy