Joel 2:17 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Eo anelanelan’ny lalantsara fidirana sy ny alitara no aoka hitomanian’ny mpisorona, mpanao fanompoam-pivavahana ho an’NY TOMPO ka hilazany hoe: Iantrao ny olonao, RY TOMPO ô, ary aza avela ho latsa ny lovanao ka hotapahin’ny Jentilisa; fa nahoana no hataon’ny any amin’ny firenena hoe: Aiza izay Andriamaniny?
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Eo anelanelan’ny alo-baravarana sy ny ôteliny, dia aoka ny mpisorona mpanao raharahan’i Iaveh, hitomany ka hanao hoe: «Iaveh ô, tsimbino ny vahoakanao, aza atolotrao halaim-baraka ny lovanao, ka hataon’ny firenena fandatsa. Ahoana no dia anaovanao any amin’ny firenena hoe: Fa aiza izay Andriamaniny?»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Aoka hitomany ao an- tempoly ireo mpisorona izay mpanao fanompoam-pivavahana amin’ny TOMPO! Eo anelanelan’ny lalantsara fidirana sy ny alitara, no aoka hanaovany izany ka hitenenany hoe: «TOMPO ô, mba iantrao ny vahoakanao, aza avela ho afa-baràka ny olonao na holatsain’ny hafa firenena hoe: ‹Aiza izay Andriamanitrareo?› »
Malagasy Bible 1865
Eo anelanelan'ny lavarangana fidirana sy ny alitara no aoka hitomanian'ny mpisorona, mpanao fanompoam-pivavahana ho an'i Jehovah, ka hanao hoe: Iantrao ny olonao, Jehovah, ary aza avela ho latsa ny lovanao, ka hotapahin'ny jentilisa; Fa nahoana no hataony any amin'ny firenena hoe: Aiza Izay Andriamaniny?
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Eo anelanelan’ny lalantsara fidirana sy ny alitara no aoka hitomanian’ny mpisorona, mpanao fanompoam-pivavahana ho an’NY TOMPO ka hilazany hoe: Iantrao ny olonao, RY TOMPO ô, ary aza avela ho latsa ny lovanao ka hotapahin’ny Jentilisa*; fa nahoana no hataon’ny any amin’ny firenena hoe: Aiza izay Andriamaniny?
malagasy
Eo anelanelan'ny lavarangana fidirana sy ny alitara no aoka hitomanian'ny mpisorona, mpanao fanompoam-pivavahana ho an'i Jehovah, ka hanao hoe: Iantrao ny olonao, Jehovah, ary aza avela ho latsa ny lovanao, ka hotapahin'ny jentilisa; Fa nahoana no hataony any amin'ny firenena hoe: Aiza Izay Andriamaniny? [Na: Hanaovan'ny jentilisa azy ho ambentinteny]