Joel 2:20 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary ilay avy any avaratra dia hampanalaviriko anareo ka horoahiko ho any amin’ny tany karankaina sady foana; ho any amin’ny ranomasina atsinanana ny lohalalany, ary ho any amin’ny ranomasina andrefana ny vodilalany; hiakatra ny hamaimboany, ary hisondrotra ny fofon-dratsiny fa efa nanao zava-dehibe izy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Hampanalaviriko anareo ilay avy any avaratra, ka horoahiko ho any amin’ny tany karankaina sy efitra izy; Ny lohalalany ho any amin’ny ranomasina atsinanana. Ny vodilalany ho any amin’ny ranomasina andrefana; ka fofona mantsina no hanetona avy aminy, ary hiakatra ny fahamaimboany!» Satria nahefa zava-dehibe izy!
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Horoahiko lavitra anareo ny fahavalonareo avy any avaratra ka halefako any an-taniefitra sy karankaina; any amin’ny Ranomasina Maty no hazerako ny lohalalany, ary any amin’ny Ranomasina Mediteranea no hatsipiko ny vodilalany. Fofon-dratsy no hiakatra avy amin’ny fatin’ireo ka hanamaimbo ny rivotra. Eny, zava-dehibe toy izany no nataon’ny TOMPO taminareo.
Malagasy Bible 1865
Ary ilay avy any avaratra dia hampanalaviriko anareo ka horoahiko ho any amin'ny tany karankaina sy mariry; Ny loha-lalany ho any amin'ny ranomasina atsinanana, ary ny vodi-lalany ho any amin'ny ranomasina andrefana; Ary ny hamaimboany hiakatra, ary ny fofon-dratsiny hisondrotra; Fa efa nanao zava-dehibe izy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary ilay avy any avaratra dia hampanalaviriko anareo ka horoahiko ho any amin’ny tany karankaina sady foana; ho any amin’ny ranomasina atsinanana ny lohalalany, ary ho any amin’ny ranomasina andrefana ny vodilalany; hiakatra ny hamaimboany, ary hisondrotra ny fofon-dratsiny fa efa nanao zava-dehibe izy.
malagasy