Joel 2:23 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary ianareo, ry zanak’i Ziona, dia miravoravoa sy mifalia amin’NY TOMPO Andriamanitrareo; fa hanome anareo ny lohaorana amin’ny fotoanany Izy ary handatsaka ranonorana mivatravatra ho anareo, dia ny lohaorana sy ny faraorana toy ny taloha.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary ianareo, ry zanak’i Siôna, aoka hientan-kafaliana sy ho ravoravo ao amin’i Iaveh Andriamanitrareo; fa ny mpampianatra efa nomeny anareo hanoro ny marina, ny andro alatsany ho anareo, dia ny fara orana sy ny loha orana, toy ny taloha indray.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ary ianareo, ry mponin’i Tsiôna, miravoravoa sy mifalia amin’ny TOMPO Andriamanitrareo, fa ny oram-pararano sahaza no omeny anareo; alatsany aminareo toy ny fahiny koa ny ranonorana mivatravatra, dia ny oran-dohataona sy ny oran-dririnina.
Malagasy Bible 1865
Ary ianareo, ry zanak'i Ziona, miravoravoa sy mifalia amin'i Jehovah Andriamanitrareo; Fa hanome anareo ny loha-orana onony Izy, dia handatsaka ranonorana mivatravatra ho anareo, eny, ny loha-orana sy ny fara-orana aloha.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary ianareo, ry zanak’i Ziona*, dia miravoravoa sy mifalia amin’NY TOMPO Andriamanitrareo; fa hanome anareo ny lohaorana amin’ny fotoanany Izy ary handatsaka ranonorana mivatravatra ho anareo, dia ny lohaorana sy ny faraorana toy ny taloha.
malagasy
Ary ianareo, ry zanak'i Ziona, miravoravoa sy mifalia amin'i Jehovah Andriamanitrareo; Fa hanome anareo ny loha-orana onony Izy, dia handatsaka ranonorana mivatravatra ho anareo, eny, ny loha-orana sy ny fara-orana aloha. [Na: Homeny mpampianatra ny fahamarinana ianareo]