Joel 2:27 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia ho fantatrareo fa ao afovoan’ny Israely Aho, ary Izaho no TOMPO Andriamanitrareo, fa tsy misy hafa; tsy ho menatra intsony ny oloko mandrakizay.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia ho fantatrareo fa eo afovoan’i Israely Aho! Izaho no Iaveh Andriamanitrareo, fa tsy misy hafa intsony; ary tsy ho menatra intsony ny vahoakako na oviana na oviana!
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ary hiaiky ianareo fa eo afovoanareo Israelita Aho, ka ny TOMPO Andriamanitrareo dia Izaho fa tsy hafa. Ary ny vahoakako, na oviana na oviana, dia tsy ho menatra intsony.»
Malagasy Bible 1865
Dia ho fantatrareo fa ao afovoan'Isiraely Aho, ary Izaho no Jehovah Andriamanitrareo, fa tsy misy hafa; Ary tsy ho menatra mandrakizay ny oloko.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia ho fantatrareo fa ao afovoan’ny Israely Aho, ary Izaho no TOMPO Andriamanitrareo, fa tsy misy hafa; tsy ho menatra intsony ny oloko mandrakizay.
malagasy
Dia ho fantatrareo fa ao afovoan'Isiraely Aho, ary Izaho no Jehovah Andriamanitrareo, fa tsy misy hafa; Ary tsy ho menatra mandrakizay ny oloko.