Joel 2:3 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Misy afo mandevona eo alohany ary misy lelafo mandoro any aorianany; tahaka ny saha Edena ny tany eo alohany fa ny any aorianany kosa dia tahaka ny tany efitra foana, eny, tsy misy tsy azony.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Eo anoloany misy afo mandevona, ary eo aoriany misy lelafo mandoro. Ny tany eo alohany, toy ny zaridain’i Edena, ary ny eo aoriany, toy ny efitra voarava; tsy misy tsy asiany na kely akory aza.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Tahaka ny afo mandevona no hanimbany ny eo alohany sy handoroany ny ao aoriany. Talohan’ny fahatongavany dia toy ny zaridainan’i Hedena ny tany; taorian’ny fandalovany kosa dia taniefitra kilan’ny afo no sisa. Eny, tsy nisy izay tsy ravany.
Malagasy Bible 1865
Eo alohany misy afo mandevona, ary any aoriany misy lelafo mandoro; Tahaka ny saha Edena ny tany eo alohany, fa ny any aoriany kosa dia tahaka ny efitra foana, eny, tsy misy tsy azony.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Misy afo mandevona eo alohany ary misy lelafo mandoro any aorianany; tahaka ny saha Edena ny tany eo alohany fa ny any aorianany kosa dia tahaka ny tany efitra foana, eny, tsy misy tsy azony.
malagasy
Eo alohany misy afo mandevona, ary any aoriany misy lelafo mandoro; Tahaka ny saha Edena ny tany eo alohany, fa ny any aoriany kosa dia tahaka ny efitra foana, eny, tsy misy tsy azony.