Joel 2:5 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Tahaka ny figorodon’ny kalesy fitondra miady any an-tampon’ny tendrombohitra no figorodon’ny fitsambikimbikiny, eny, tahaka ny fipororotry ny lelafo mandoro mololo, ary tahaka ny firenena mahery voalamina hiady.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Misy re hoatra ny firodorodon’ny kalesy mievotrevotra eny antampon-tendrombohitra; tahaka ny firohondrohon’ny lelafo, mandevona ny mololo; ary tahaka ny firenena mahery, voalahatra hiady.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Tahaka ny firodorodon’ny kalesy na ny fipoapoaky ny lelafo amin’ny bozaka may no itsambikimbikinany mitety tampon-tendrombohitra. Eny, tahaka ny tafika matanjaka no efa ilaharany mivonon-kiady.
Malagasy Bible 1865
Tahaka ny figorodon'ny kalesy any an-tampon'ny tendrombohitra no figorodon'ny fitsambikimbikiny, sy tahaka ny fipororotry ny lelafo eny amin'ny hain-tanety, ary tahaka ny firenena mahery voalamina hiady.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Tahaka ny figorodon’ny kalesy fitondra miady any an-tampon’ny tendrombohitra no figorodon’ny fitsambikimbikiny, eny, tahaka ny fipororotry ny lelafo mandoro mololo, ary tahaka ny firenena mahery voalamina hiady.
malagasy