Joel 2:8 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Tsy mifanosika izy fa samy mandroso amin’izay hitsiny; ary na dia manidina aza ny lefona dia tsy miala an-daharana izy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Tsy mba misy mifanosika izy, fa samy mizotra amin’ny lalany avy; mirimorimo eo afovoan’ny zana-tsipìka izy, ary tsy mba mandrava laharana.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Tsy mba mifanosika izy, fa mandroso amin’ny lalany avy. Sahy misedra izay asehatra azy izy, fa tsy voasakan’izany.
Malagasy Bible 1865
Tsy mifanosika izy, fa samy mandroso amin'izay hitsiny; Ary na dia miezaka mamaky ny sabatra aza izy, dia tsy voaratra.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Tsy mifanosika izy fa samy mandroso amin’izay hitsiny; ary na dia manidina aza ny lefona dia tsy miala an-daharana izy.
malagasy
Tsy mifanosika izy, fa samy mandroso amin'izay hitsiny; Ary na dia miezaka mamaky ny sabatra aza izy, dia tsy voaratra. [Na: voasakana]