Joel 3:1 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Rehefa afaka izany dia handrotsaka ny Fanahiko amin’ny nofo rehetra Aho; dia haminany ny zanakalahinareo sy ny zanakavavinareo, hanonofy ny zokiolonareo, ary hahita fahitana ny zatovonareo;
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary rehefa afaka izany, dia indro fa handatsaka ny Fanahiko amin’ny nofo rehetra Aho, ka ny zanaka lahy aman-janaka vavinareo haminany; ny anti-panahinareo hahita nofy, ny zatovonareo hahazo fahitana.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia hoy ny TOMPO hoe: «Rehefa afaka izany dia handatsaka ny Fanahiko amin’ny olombelona rehetra Aho, ka haminany ny zanakalahinareo mbamin’ny zanakavavinareo, hanonofy ny lahiantitrareo ary hisehoam-pahitana ny tanoranareo.
Malagasy Bible 1865
Ary rehefa afaka izany, dia handatsaka ny Fanahiko amin'ny nofo rehetra Aho; Dia haminany ny zanakalahinareo sy ny zanakavavinareo, ny lahiantitrareo hanonofy, ary ny zatovonareo hahita fahitana;
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Rehefa afaka izany dia handrotsaka ny Fanahiko amin’ny nofo rehetra Aho; dia haminany ny zanakalahinareo sy ny zanakavavinareo, hanonofy ny zokiolonareo, ary hahita fahitana ny zatovonareo;
malagasy
[Ny amin'ny handatsahana ny Fanahy Masina, sy ny hitsarana ny firenena rehetra] Ary rehefa afaka izany, dia handatsaka ny Fanahiko amin'ny nofo rehetra Aho; Dia haminany ny zanakalahinareo sy ny zanakavavinareo, ny lahiantitrareo hanonofy, ary ny zatovonareo hahita fahitana;