Joel 3:5 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary na zovy na zovy no hiantso ny anaran’NY TOMPO dia ho afa-mandositra; fa ao an-tendrombohitra Ziona sy any Jerosalema dia hisy sisa afaka, araka izay voalazan’NY TOMPO, ary izay antsoin’NY TOMPO dia ho isan’izay sisa velona.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary na zovy na zovy hiantso ny Anaran’i Iaveh, dia ho voavonjy; fa ao an-tendrombohitra Siôna sy ao Jerosalema dia hisy fivorian’ny voavonjy araka ny voalazan’i Iaveh, mbamin’ireo eo amin’izay sisa velona, izay antsoin’i Iaveh.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ary na iza na iza hiantso ny anaran’ny TOMPO dia ho voavonjy. Fa eo an-tendrombohitra Tsiôna sy ao Jerosalema dia hisy sisa afaka, araka ny voalazan’ny TOMPO. Ary izay antsoin’ny TOMPO dia ho isan’ny afa-mandositra.
Malagasy Bible 1865
Ary na zovy na zovy no hiantso ny anaran'i Jehovah dia ho afa-mandositra; Fa ao an-tendrombohitra Ziona sy any Jerosalema dia hisy sisa afaka, araka izay efa voalazan'i Jehovah, ary izay antsoin'i Jehovah dia ho isan'izay afa-mandositra.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary na zovy na zovy no hiantso ny anaran’NY TOMPO dia ho afa-mandositra; fa ao an-tendrombohitra Ziona* sy any Jerosalema dia hisy sisa afaka, araka izay voalazan’NY TOMPO, ary izay antsoin’NY TOMPO dia ho isan’izay sisa velona.
malagasy
Ary na zovy na zovy no hiantso ny anaran'i Jehovah dia ho afa-mandositra; Fa ao an-tendrombohitra Ziona sy any Jerosalema dia hisy sisa afaka, araka izay efa voalazan'i Jehovah, ary izay antsoin'i Jehovah dia ho isan'izay afa-mandositra.