John 1:19 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Izao no fanambaràna nataon’i Jaona, raha naniraka mpisorona sy levita avy tany Jerosalema hankany aminy ny Jiosy mba hanontany azy hoe: Iza moa ianao?
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary izao no nambaran’i Joany raha naniraka mpisorona sy Levita, avy tany Jerosalema, hankany aminy ny Jody mba hanontany Azy hoe: Iza moa Ianao?
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Toy izao no fijoroan’i Jôhany ho vavolombelona. Nisy mpisorona sy levita nirahin’ny manampahefana jiosy avy any Jerosalema hankeo aminy, mba hanontany azy hoe: –Iza moa ianao?
Malagasy Bible 1865
Ary izao no nambaran'i Jaona, raha ny Jiosy naniraka mpisorona sy Levita avy tany Jerosalema hankany aminy mba hanontany azy hoe: Iza moa ianao?
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Izao no fanambaràna nataon’i Jaona, raha naniraka mpisorona sy levita* avy tany Jerosalema hankany aminy ny Jiosy* mba hanontany azy hoe: Iza moa ianao?
malagasy
Ary izao no nambaran'i Jaona, raha ny Jiosy naniraka mpisorona sy Levita avy tany Jerosalema hankany aminy mba hanontany azy hoe: Iza moa ianao?