John 1:29 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Nony ampitso dia nahita an’i Jesosy avy manatona azy i Jaona ka hoy izy: Indro ny Zanak’ondrin’Andriamanitra izay manaisotra ny fahotan’izao tontolo izao!
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nony ampitso, nahita an’i Jesoa nanatona azy i Joany, ka hoy izy: «Indro ny Zanak’ondrin’Andriamanitra; indro Ilay manala ny fahotan’ny olona.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Nony ampitso, dia nahita an’i Jesoa avy nanatona azy i Jôhany ka hoy izy: –Indro ny Zanakondrin’Andriamanitra, Ilay manala ny fahotan’izao tontolo izao!
Malagasy Bible 1865
Nony ampitso dia nahita an'i Jesosy avy manatona azy Jaona, ka dia hoy izy: Indro ny Zanak'ondrin'Andriamanitra, Izay manaisotra ny fahotan'izao tontolo izao!
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Nony ampitso dia nahita an’i Jesosy avy manatona azy i Jaona ka hoy izy: Indro ny Zanak’ondrin’Andriamanitra izay manaisotra ny fahotan’izao tontolo izao!
malagasy
Nony ampitso dia nahita an'i Jesosy avy manatona azy Jaona, ka dia hoy izy: Indro ny Zanak'ondrin'Andriamanitra, Izay manaisotra ny fahotan'izao tontolo izao! [Na: mitondra]