John 1:42 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia nitondra azy ho any amin’i Jesosy izy. Nony nibanjina azy Jesosy dia niteny hoe: Ianao no Simona, zanak’i Jaona; ianao dia hantsoina koa hoe Kefasy, izany hoe Petera.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia nentiny nankany amin’i Jesoa izy, ka nony nijery azy i Jesoa dia nanao hoe: «Ianao no Simôna zanak’i Joany; hatao hoe Sefasy ianao, izany hoe, Piera vato»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia nentin’i Andrea nankany amin’i Jesoa i Simôna; ary nony nijery azy i Jesoa, dia nanao hoe: –Ianao no Simôna, zanakalahin’i Jônà! Hantsoina hoe Kefasy ianao (izany hoe Petera na hoe Vato, raha adika)!
Malagasy Bible 1865
Dia nitondra azy ho any amin'i Jesosy izy. Ary nony nijery azy Jesosy, dia hoy Izy: Hianao no Simona, zanak'i Jaona; ianao hatao hoe Kefasy (izay atao hoe, raha adika, Petera)
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia nitondra azy ho any amin’i Jesosy izy. Nony nibanjina azy Jesosy dia niteny hoe: Ianao no Simona, zanak’i Jaona; ianao dia hantsoina koa hoe Kefasy, izany hoe Petera.
malagasy
Dia nitondra azy ho any amin'i Jesosy izy. Ary nony nijery azy Jesosy, dia hoy Izy: Hianao no Simona, zanak'i Jaona; ianao hatao hoe Kefasy (izay atao hoe, raha adika, Petera) [Petera = vato]