John 11:44 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia nivoaka tao ny maty, ny tanany sy ny tongony dia nisy fehim-paty sady voasarona lambam-paty koa ny tavany. Hoy Jesosy tamin’ny olona: Vahao izy ka avelao handeha.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ka niaraka tamin’izay dia nivoaka ny maty, ny tongotra aman-tanany nisy fehim-paty, ary ny tavany nisarona lamba. Dia hoy i Jesoa tamin’ny olona: «Vahao izy ka avelao handeha.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia niala tao ny maty, ny tongotra aman-tanana nisy fehim-paty, ary ny tava voasarona lamba. Fa hoy i Jesoa tamin’ny olona: –Vahao izy, dia avelao handeha!
Malagasy Bible 1865
Dia nivoaka ny maty nisy fehim-paty ny tànany sy ny tongony, sady voafehy mosara koa ny tavany. Hoy Jesosy tamin'ny olona: Vahao izy, ka avelao handeha.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia nivoaka tao ny maty, ny tanany sy ny tongony dia nisy fehim-paty sady voasarona lambam-paty koa ny tavany. Hoy Jesosy tamin’ny olona: Vahao izy ka avelao handeha.
malagasy
Dia nivoaka ny maty nisy fehim-paty ny tànany sy ny tongony, sady voafehy mosara koa ny tavany. Hoy Jesosy tamin'ny olona: Vahao izy, ka avelao handeha.