John 11:51 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary tsy niteny izany tamin’ny hevitry ny tenany izy, fa satria Mpisoronabe tamin’izany taona izany izy, dia naminany fa Jesosy ho faty hamonjy ny firenena;
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Tsy avy aminy anefa no nitenenany an’izany, fa noho izy lehiben’ny mpisorona tamin’izay taona izay, dia naminany izy fa ho faty ho an’ny firenena i Jesoa;
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Tsy avy aminy anefa no nitenenany an’izany, fa noho izy mpisorombe tamin’io taona io no naminaniany fa i Jesoa dia ho faty ho an’ny firenena jiosy;
Malagasy Bible 1865
Ary tsy niteny izany ho azy izy, fa satria mpisoronabe tamin'izany taona izany izy, dia naminany fa Jesosy ho faty hamonjy ny firenena;
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary tsy niteny izany tamin’ny hevitry ny tenany izy, fa satria Mpisoronabe tamin’izany taona izany izy, dia naminany fa Jesosy ho faty hamonjy ny firenena;
malagasy
Ary tsy niteny izany ho azy izy, fa satria mpisoronabe tamin'izany taona izany izy, dia naminany fa Jesosy ho faty hamonjy ny firenena;