John 11:56 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia nitady an’i Jesosy ireo, raha nijanona tao amin’ny tempoly, ka niresaka hoe: Ahoana no hevitrareo? Tsy mba ho tonga amin’ny andro firavoravoana va Izy?
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia nitady an’i Jesoa izy ireo ka nifampilaza tao anatin’ny Tempoly hoe: «Ahoana no hevitrareo, dia tsy ho avy hamonjy ny fety ve Izy?» Ny lehiben’ny mpisorona sy ny Farisianina tamin’izany efa nandidy fa izay mahita ny itoerany dia tsy maintsy milaza, mba hisamborany Azy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia nitady an’i Jesoa ny olona, ka raha nijanona teo an- kianjan’ny tempoly dia nifampiresaka hoe: –Ahoana no hevitrareo? Ho tonga ve Izy sa tsy ho tonga amin’ny fankalazana ny Paska?
Malagasy Bible 1865
Dia nitady an'i Jesosy ireo, raha nijanona teo an-kianjan'ny tempoly, ka niresaka hoe: Ahoana no hevitrareo? Tsy mba ho tonga amin'ny andro firavoravoana va Izy?
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia nitady an’i Jesosy ireo, raha nijanona tao amin’ny tempoly, ka niresaka hoe: Ahoana no hevitrareo? Tsy mba ho tonga amin’ny andro firavoravoana va Izy?
malagasy
Dia nitady an'i Jesosy ireo, raha nijanona teo an-kianjan'ny tempoly, ka niresaka hoe: Ahoana no hevitrareo? Tsy mba ho tonga amin'ny andro firavoravoana va Izy?Ary ny lohan'ny mpisorona sy ny Fariseo efa nandidy fa raha misy olona mahalala izay itoerany, dia tsy maintsy milaza, mba hisamborany Azy.