John 12:16 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Izany zavatra izany dia tsy fantatry ny mpianany tamin’ny voalohany; fa rehefa niditra tamin’ny voninahiny Jesosy, izay vao nahatsiaro izy ireo fa voasoratra hilaza Azy io zavatra io, sady efa nataony taminy izany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Tamin’izay dia tsy mbola fantatry ny mpianany ny hevitr’izany, fa nony efa voasandratra tamin’ny voninahiny i Jesoa vao tsaroany fa sady voasoratra ny aminy izany no nataon’izy ireo taminy koa.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Izany zavatra izany dia tsy azon’ny mpianany tamin’ny voalohany; fa rehefa nomen’Andriamanitra voninahitra i Jesoa, vao tsaroan’ny mpianany fa voalazan’ny Soratra Masina ny amin’i Jesoa izany sady nataon’ny olona taminy.
Malagasy Bible 1865
Izany zavatra izany dia tsy fantatry ny mpianany tamin'ny voalohany; fa rehefa niditra tamin'ny voninahiny Jesosy, dia vao nahatsiaro izy fa voasoratra hilaza Azy izany zavatra izany, ary efa nataony taminy izany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Izany zavatra izany dia tsy fantatry ny mpianany tamin’ny voalohany; fa rehefa niditra tamin’ny voninahiny Jesosy, izay vao nahatsiaro izy ireo fa voasoratra hilaza Azy io zavatra io, sady efa nataony taminy izany.
malagasy