John 12:3 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary rehefa naka menaka manitra nisy narda sady tsara no sarobidy, lanjana iray livatra, i Maria, dia nanosotra ny tongotr’i Jesosy sy namaoka ny tongony tamin’ny volon-dohany; koa feno ny hanitry ny menaka ny trano.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary i Maria kosa naka diloilo manitra sarobidy lanjana iray livatra natao tamin’ny salohin’ny narda, dia nanosotra ny tongotr’i Jesoa sy namaoka ny tongony tamin’ny volon-dohany, ka nandraraka eran’ny trano ny hanitry ny diloilo.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Tamin’izay i Maria dia naka ilomanitra sarobidy, natao tamin’ny narda, lànjana ampahatelon-kilao. Nanosotra ny tongotr’i Jesoa izy, dia namaoka ny tongony tamin’ny volon-dohany ka heraka ny fofona mamerovero avy amin’ilay ilomanitra ny trano.
Malagasy Bible 1865
Ary Maria, rehefa naka menaka manitra nisy narda sady tsara no saro-bidy, lanjan'iray livatra, dia nanosotra ny tongotr'i Jesosy sy namaoka ny tongony tamin'ny volondohany; ary feno ny hanitry ny menaka ny trano.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary rehefa naka menaka manitra nisy narda sady tsara no sarobidy, lanjana iray livatra, i Maria, dia nanosotra ny tongotr’i Jesosy sy namaoka ny tongony tamin’ny volon-dohany; koa feno ny hanitry ny menaka ny trano.
malagasy