John 12:34 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia hoy ny vahoaka Taminy hoe: Efa renay tamin’ny lalàna fa Kristy dia haharitra mandrakizay; koa ahoana no ilazanao hoe: Tsy maintsy hasandratra ny Zanak’Olona? Iza moa izany Zanak’Olona izany?
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ka hoy ny vahoaka namaly Azy: «Efa renay tamin’ny Lalàna fa maharitra mandrakizay i Kristy, ka ahoana no lazainao hoe: ‹Tsy maintsy hasandratra ny Zanak’olona?› Iza moa izany Zanak’olona izany?»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ka hoy ny vahoaka namaly Azy: –Efa renay tamin’ny bokin’ny lalàna fa maharitra mandrakizay ny Mesia; ka ahoana no ilazanao hoe: tsy maintsy hasandratra ny Zanak’olona? Iza moa izany Zanak’olona izany?
Malagasy Bible 1865
Dia namaly Azy ny vahoaka ka nanao hoe: Efa renay tamin'ny lalàna fa Kristy haharitra mandrakizay; koa ahoana no ilazanao hoe: Tsy maintsy hasandratra ny Zanak'olona? Iza moa izany Zanak'olona izany?
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia hoy ny vahoaka Taminy hoe: Efa renay tamin’ny lalàna fa Kristy* dia haharitra mandrakizay; koa ahoana no ilazanao hoe: Tsy maintsy hasandratra ny Zanak’Olona*? Iza moa izany Zanak’Olona izany?
malagasy
Dia namaly Azy ny vahoaka ka nanao hoe: Efa renay tamin'ny lalàna fa Kristy haharitra mandrakizay; koa ahoana no ilazanao hoe: Tsy maintsy hasandratra ny Zanak'olona? Iza moa izany Zanak'olona izany?