John 12:36 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Raha mbola manana ny mazava ianareo dia minoa ny mazava mba ho tonga zanaky ny mazava. Rehefa avy nilaza izany Jesosy dia niala Izy ka niery azy ireo.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Minoa ny fahazavana dieny mbola eo aminareo ny fahazavana, mba ho zanaky ny fahazavana ianareo.» Nony voalazan’i Jesoa izany, dia lasa Izy niery azy ireo.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Minoa ny fahazavana dieny mbola anananareo ny fahazavana, mba ho tonga olona miaina araka ny fahazavana ianareo. Nony voalazan’i Jesoa izany, dia lasa Izy niery ny vahoaka jiosy.
Malagasy Bible 1865
Raha mbola manana ny mazava ianareo, dia minoa ny mazava, mba ho tonga zanaky ny mazava. Rehefa nilaza izany Jesosy, dia niala Izy ka niery azy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Raha mbola manana ny mazava ianareo dia minoa ny mazava mba ho tonga zanaky ny mazava. Rehefa avy nilaza izany Jesosy dia niala Izy ka niery azy ireo.
malagasy
Raha mbola manana ny mazava ianareo, dia minoa ny mazava, mba ho tonga zanaky ny mazava. Rehefa nilaza izany Jesosy, dia niala Izy ka niery azy.