John 12:42 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Kanefa na dia maro aza ny mpitondra no nino Azy dia tsy nanaiky izy ireo noho ny Fariseo, fandrao horoahina tsy ho isan’ny ao amin’ny sinagoga.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Kanefa na eo aza izany, dia maro ihany na hatramin’ny loholona aza no nino Azy, saingy tsy nampiseho ny finoany izy ireo noho ny Farisianina, fandrao dia roahiny amin’ny sinagoga,
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Kanefa i Jesoa dia ninoan’olona maro ihany na tamin’ireo manampahefana jiosy aza; saingy noho ny Farisianina dia tsy nanaiky ho mpiandany amin’i Jesoa izy ireo, fandrao voaroaka hiala amin’ny sinagôga:
Malagasy Bible 1865
Kanefa maro tamin'ny mpanapaka aza no nino Azy; nefa noho ny Fariseo dia tsy nanaiky ireo, fandrao havoaka hiala amin'ny synagoga.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Kanefa na dia maro aza ny mpitondra no nino Azy dia tsy nanaiky izy ireo noho ny Fariseo*, fandrao horoahina tsy ho isan’ny ao amin’ny sinagoga*.
malagasy
Kanefa maro tamin'ny mpanapaka aza no nino Azy; nefa noho ny Fariseo dia tsy nanaiky ireo, fandrao havoaka hiala amin'ny synagoga.