John 12:6 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary izy no nilaza izany, tsy noho ny fiahiany ny mahantra, fa noho izy mpangalatra sady izy koa no mpitondra ny kitapom-bola ka naka izay tao anatiny.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Tsy ny fiahiany ny mahantra anefa no nilazany an’izany, fa noho izy mpangalatra sy mpitana ny kitapom-bola, ary nifetsy izay nalatsaka tao anatiny.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Tsy ny fiahiany ny mahantra anefa no nitenenany an’izany fa noho izy mpangalatra: mpitana ny kitapom-bola izy ary naka izay nalatsaka tao anatiny.
Malagasy Bible 1865
Ary izy no nilaza izany, tsy noho ny fiahiany ny malahelo, fa satria mpangalatra izy sady nitondra ny kitapo ka naka izay tao anatiny.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary izy no nilaza izany, tsy noho ny fiahiany ny mahantra, fa noho izy mpangalatra sady izy koa no mpitondra ny kitapom-bola ka naka izay tao anatiny.
malagasy
Ary izy no nilaza izany, tsy noho ny fiahiany ny malahelo, fa satria mpangalatra izy sady nitondra ny kitapo ka naka izay tao anatiny.