John 12:9 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Betsaka tamin’ny vahoaka Jiosy no nahafantatra fa teo Jesosy, ary tonga teo ireo, nefa tsy noho Jesosy ihany fa mba hahita an’i Lazarosy koa, ilay natsangany tamin’ny maty.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Maro tamin’ny Jody no nahare hoe tao Betania i Jesoa, ka tonga tao, tsy noho i Jesoa ihany, fa mba hahita an’i Lazara ilay natsangany ho velona koa.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Vahoaka maro tamin’ny Jiosy no nahalala fa tao Betania i Jesoa. Dia tonga tao ireo, tsy noho i Jesoa ihany fa mba hahita koa an’i Lazara, ilay natsangany ho velona avy any amin’ny maty.
Malagasy Bible 1865
Ary ny vahoaka betsaka tamin'ny Jiosy nahalala fa teo Izy, dia tonga teo, nefa tsy noho Jesosy ihany, fa mba hahita an'i Lazarosy koa, ilay natsangany tamin'ny maty.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Betsaka tamin’ny vahoaka Jiosy* no nahafantatra fa teo Jesosy, ary tonga teo ireo, nefa tsy noho Jesosy ihany fa mba hahita an’i Lazarosy koa, ilay natsangany tamin’ny maty.
malagasy
Ary ny vahoaka betsaka tamin'ny Jiosy nahalala fa teo Izy, dia tonga teo, nefa tsy noho Jesosy ihany, fa mba hahita an'i Lazarosy koa, ilay natsangany tamin'ny maty.