John 13:1 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Talohan’ny andro firavoravoana tamin’ny Paska, satria fantatr’i Jesosy fa tonga ny fotoana hialany amin’izao tontolo izao ho any amin’ny Ray, ary tia ny Azy izay ao amin’izao tontolo izao Izy, dia tia azy hatramin’ny farany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Talohan’ny fetin’ny Paka, fantatr’i Jesoa fa tonga ny fotoana hialany amin’izao tontolo izao ho any amin’ny Ray, ka rehefa notiaviny tokoa ny Azy izay amin’izao tontolo izao, dia fara fitiavana no nataony taminy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Andro mialoha ny fankalazana ny Paska tamin’izay. Fantatr’i Jesoa fa tonga ny fotoanandro hialany amin’ izao tontolo izao ho any amin’ny Ray. Efa notiavin’i Jesoa ireo Azy teo amin’izao tontolo izao ary dia notiaviny hatramin’ny farany.
Malagasy Bible 1865
Ary talohan'ny andro firavoravoana tamin'ny Paska, satria fantatr'i Jesosy fa tonga ny fotoana hialany amin'izao tontolo izao ho any amin'ny Ray, ary efa tia ny Azy izay amin'izao tontolo izao Izy, dia tia azy hatramin'ny farany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Talohan’ny andro firavoravoana tamin’ny Paska*, satria fantatr’i Jesosy fa tonga ny fotoana hialany amin’izao tontolo izao ho any amin’ny Ray, ary tia ny Azy izay ao amin’izao tontolo izao Izy, dia tia azy hatramin’ny farany.
malagasy
Ary talohan'ny andro firavoravoana tamin'ny Paska, satria fantatr'i Jesosy fa tonga ny fotoana hialany amin'izao tontolo izao ho any amin'ny Ray, ary efa tia ny Azy izay amin'izao tontolo izao Izy, dia tia azy hatramin'ny farany.