John 13:29 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Fa nataon’ny sasany hoe satria i Jodasy no nitondra ny kitapo, no nilazan’i Jesosy taminy hoe: Vidio ny zavatra ilaintsika amin’ny andro firavoravoana na mandehana manome zavatra ho an’ny mahantra.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
fa noho i Jodasy nitahiry ny kitapom-bola, dia nataon’ny sasany fa izao no nolazain’i Jesoa taminy: Vidio ny zavatra ilaintsika amin’ny fety, na mba omeo zavatra ny mahantra.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Fa noho i Jodasy nitana ny kitapom-bola, dia nataon’ny sasany fa izao no voalazan’i Jesoa taminy: vidio ny zavatra ilaintsika amin’ny fankalazana ny Paska, na mba omeo zavatra ny mahantra.
Malagasy Bible 1865
Fa nataon'ny sasany fa satria Jodasy no nitondra ny kitapo, no nilazan'i Jesosy taminy hoe: Vidio ny zavatra ilaintsika amin'ny andro firavoravoana, na mba hanome zavatra ho an'ny malahelo.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Fa nataon’ny sasany hoe satria i Jodasy no nitondra ny kitapo, no nilazan’i Jesosy taminy hoe: Vidio ny zavatra ilaintsika amin’ny andro firavoravoana na mandehana manome zavatra ho an’ny mahantra.
malagasy
Fa nataon'ny sasany fa satria Jodasy no nitondra ny kitapo, no nilazan'i Jesosy taminy hoe: Vidio ny zavatra ilaintsika amin'ny andro firavoravoana, na mba hanome zavatra ho an'ny malahelo.