John 16:17 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary ny mpianany sasany dia niresaka hoe: Inona ary izany nolazainy tamintsika hoe: Vetivety foana dia tsy hahita Ahy ianareo; ary vetivety foana indray dia hahita Ahy ianareo satria mankany amin’ny Ray Aho?
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Tamin’izay ny mpianany sasany dia nifampilaza hoe: «Ahoana no ilazany amintsika hoe: Rehefa afaka kelikely, dia tsy hahita Ahy intsony ianareo; ary rehefa afaka kelikely indray, dia hahita Ahy ianareo, satria mankany amin’ny Ray Aho?»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Tamin’izay ny sasany tamin’ny mpianatr ’i Jesoa dia nifampiresaka hoe: –Inona izany lazainy amintsika hoe: «Rehefa afaka kelikely, dia tsy hahita Ahy intsony ianareo; ary rehefa afaka kelikely indray, dia hahita Ahy ianareo», sy ny hoe: «Mankany amin’ny Ray»?
Malagasy Bible 1865
Ary ny mpianany sasany niresaka hoe: Inona izany nolazainy tamintsika hoe: Vetivety foana dia tsy hahita Ahy ianareo; ary vetivety foana indray dia hahita Ahy ianareo, ary, satria mankany amin'ny Ray Aho?
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary ny mpianany sasany dia niresaka hoe: Inona ary izany nolazainy tamintsika hoe: Vetivety foana dia tsy hahita Ahy ianareo; ary vetivety foana indray dia hahita Ahy ianareo satria mankany amin’ny Ray Aho?
malagasy