John 16:2 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Handroaka anareo tsy ho isan’ny sinagoga izy; eny, ho avy ny fotoana ka hataon’izay rehetra mamono anareo fa manao fanompoam-pivavahana ho an’Andriamanitra izy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Fa horoahiny amin’ny sinagoga ianareo ary ho avy aza ny andro hiheveran’izay rehetra hamono anareo ho manao fanompoana an’Andriamanitra.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Handroaka anareo hiala amin’ny sinagôga ry zareo; eny, ho avy ny andro hiheveran’izay rehetra mamono anareo ho manatitra mari-panajana amin’Andriamanitra.
Malagasy Bible 1865
Handroaka anareo hiala amin'ny synagoga izy; eny, ho avy ny andro, ka hataon'izay rehetra mamono anareo fa manatitra fanompoam-pivavahana ho an'Andriamanitra izy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Handroaka anareo tsy ho isan’ny sinagoga* izy; eny, ho avy ny fotoana ka hataon’izay rehetra mamono anareo fa manao fanompoam-pivavahana ho an’Andriamanitra izy.
malagasy
Handroaka anareo hiala amin'ny synagoga izy; eny, ho avy ny andro, ka hataon'izay rehetra mamono anareo fa manatitra fanompoam-pivavahana ho an'Andriamanitra izy. [ Gr. ora]