John 16:32 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Indro, avy ny fotoana; eny, efa tonga, izay hielezanareo samy ho any amin’ny azy avy, ary hilaozanareo ho irery Aho; kanefa tsy irery Aho, fa ny Ray no ato Amiko.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Indro avy ny andro, na efa tonga sahady aza, izay hielezanareo samy ho any amin’izay halehany avy, sy handaozanareo Ahy ho irery; nefa tsy irery Aho tsy akory, fa ato amiko ny Ray.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Indro avy ary efa tonga sahady aza ny andro izay hielezanareo samy ho any amin’ny misy anareo avy, ary handaozanareo Ahy ho irery; kanefa tsy irery Aho, fa miaraka amiko ny Ray.
Malagasy Bible 1865
Indro, avy ny andro, eny, efa tonga, izay hielezanareo samy ho any amin'ny azy avy, ary hilaozanareo ho irery Aho; kanefa tsy irery Aho, fa ny Ray no ato amiko.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Indro, avy ny fotoana; eny, efa tonga, izay hielezanareo samy ho any amin’ny azy avy, ary hilaozanareo ho irery Aho; kanefa tsy irery Aho, fa ny Ray no ato Amiko.
malagasy
Indro, avy ny andro, eny, efa tonga, izay hielezanareo samy ho any amin'ny azy avy, ary hilaozanareo ho irery Aho; kanefa tsy irery Aho, fa ny Ray no ato amiko.Izany teny izany efa nolazaiko taminareo mba hanananareo fiadanana amiko. Atỳ amin'izao tontolo izao no ahitanareo fahoriana; nefa matokia; Izaho efa naharesy izao tontolo izao.