John 17:12 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Raha mbola teo aminy Aho dia nitahiry azy tamin’ny anaranao izay nomenao Ahy; ary notandremako izy ka tsy misy very, afa-tsy ilay zanaky ny fahaverezana ihany mba hahatanteraka ny Soratra Masina.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Raha mbola teo amin’izy ireo Aho, dia niaro azy tamin’ny Anaranao. Eny, niaro izay nomenao Ahy Aho, ka tsy nisy very izy na dia iray aza, afa-tsy ilay zanaky ny fahaverezana, mba ho tanteraka ny Soratra Masina.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Fony mbola teo aminy Aho, dia ny anaranao efa nomenao Ahy hampahafantariko no nitahirizako azy; ary narovako ireo, ka tsy nisy very na dia iray aza, afa-tsy ilay nirona amin’ny fahaverezana, mba hahatanteraka ny Soratra Masina.
Malagasy Bible 1865
Raha mbola teo aminy Aho, dia nitahiry azy tamin'ny anaranao izay nomenao Ahy; ary notandremako izy, ka tsy misy very, afa-tsy ilay zanaky ny fahaverezana ihany; mba hahatanteraka ny Soratra Masina.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Raha mbola teo aminy Aho dia nitahiry azy tamin’ny anaranao izay nomenao Ahy; ary notandremako izy ka tsy misy very, afa-tsy ilay zanaky ny fahaverezana ihany mba hahatanteraka ny Soratra Masina.
malagasy
Raha mbola teo aminy Aho, dia nitahiry azy tamin'ny anaranao izay nomenao Ahy; ary notandremako izy, ka tsy misy very, afa-tsy ilay zanaky ny fahaverezana ihany; mba hahatanteraka ny Soratra Masina.