John 18:10 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary nanana sabatra i Simona Petera dia nanatsoaka izany ka nikapa ny sofin’ny mpanompon’ny Mpisoronabe ary nahafaka ny sofiny havanana. Malko no anaran’ilay mpanompo.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary nanan-tsabatra i Simôna Piera ka notsoahany dia nasiany ny mpanompon’ny lehiben’ny mpisorona, ka afaka terỳ ny sofiny ankavanana: Malkôsy no anaran’ilay mpanompo.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ary nanan-tsabatra i Simôna Petera ka nanatsoaka azy; dia namely ny mpanompon’ny mpisorombe izy ary nahafaka ny sofiny havanana (I Malko no anaran’ilay mpanompo.)
Malagasy Bible 1865
Ary Simona Petera nanana sabatra, dia nanatsoaka azy ka nikapa ny mpanompon'ny mpisoronabe ary nahafaka ny sofiny ankavanana. Ary Malko no anaran'ilay mpanompo.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary nanana sabatra i Simona Petera dia nanatsoaka izany ka nikapa ny sofin’ny mpanompon’ny Mpisoronabe ary nahafaka ny sofiny havanana. Malko no anaran’ilay mpanompo.
malagasy
Ary Simona Petera nanana sabatra, dia nanatsoaka azy ka nikapa ny mpanompon'ny mpisoronabe ary nahafaka ny sofiny ankavanana. Ary Malko no anaran'ilay mpanompo.