John 18:15 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary i Simona Petera sy ny mpianatra iray koa dia nanaraka an’i Jesosy; ary fantatry ny Mpisoronabe io mpianatra io, dia niara-niditra tamin’i Jesosy ho ao an-kianjan’ny tranon’ny Mpisoronabe izy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nanaraka an’i Jesoa tamin’izany i Piera sy ny mpianatra anankiray hafa; ary fantatry ny lehiben’ny mpisorona ilay mpianatra anankiray, ka niara-niditra tamin’i Jesoa tao amin’ny tokotanin’ny lehiben’ny mpisorona.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia nanaraka an’i Jesoa i Simôna Petera sy mpianatra anankiray hafa. Fantatry ny mpisorombe io mpianatra io, ka niara-niditra tamin’i Jesoa tao an-tokotanin’ny mpisorombe.
Malagasy Bible 1865
Ary Simona Petera sy ny mpianatra anankiray koa dia nanaraka an'i Jesosy; ary fantatry ny mpisoronabe izany mpianatra izany, dia niara-niditra tamin'i Jesosy ho ao an-kianjan'ny tranon'ny mpisoronabe izy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary i Simona Petera sy ny mpianatra iray koa dia nanaraka an’i Jesosy; ary fantatry ny Mpisoronabe io mpianatra io, dia niara-niditra tamin’i Jesosy ho ao an-kianjan’ny tranon’ny Mpisoronabe* izy.
malagasy
Ary Simona Petera sy ny mpianatra anankiray koa dia nanaraka an'i Jesosy; ary fantatry ny mpisoronabe izany mpianatra izany, dia niara-niditra tamin'i Jesosy ho ao an-kianjan'ny tranon'ny mpisoronabe izy.