John 18:16 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Fa i Petera dia nijanona teny ivelan’ny vavahady. Dia nivoaka avy tao ilay mpianatra iray izay fantatry ny Mpisoronabe ka niteny tamin’ny mpiandry vavahady, dia nitondra an’i Petera niditra.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Fa i Piera kosa nijanona tany ivelany tao akaikin’ny vavahady. Dia nivoaka ilay mpianatra izay fantatry ny lehiben’ny mpisorona, ka niteny tamin’ny vehivavy mpiandry vavahady, ary nampiditra an’i Piera.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Fa i Petera kosa nijanona tany alatrano, teo akaikin’ny vavahady. Dia niainga ilay mpianatra izay fantatry ny mpisorombe, ka niteny tamin’ny vehivavy mpiandry vavahady, ary nampiditra an’i Petera.
Malagasy Bible 1865
Fa Petera nijanona teo ala-trano teo am-bavahady. Dia nivoaka ilay mpianatra anankiray, izay fantatry ny mpisoronabe, ka niteny tamin'ny mpiandry vavahady, dia nitondra an'i Petera niditra.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Fa i Petera dia nijanona teny ivelan’ny vavahady. Dia nivoaka avy tao ilay mpianatra iray izay fantatry ny Mpisoronabe ka niteny tamin’ny mpiandry vavahady, dia nitondra an’i Petera niditra.
malagasy
Fa Petera nijanona teo ala-trano teo am-bavahady. Dia nivoaka ilay mpianatra anankiray, izay fantatry ny mpisoronabe, ka niteny tamin'ny mpiandry vavahady, dia nitondra an'i Petera niditra.