John 18:28 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary noentiny niala tao amin’i Kaiafa ho ao anaty lapa Jesosy; vao maraina ny andro tamin’izay; nefa tsy niditra tao anaty lapa ireo, fandrao ho voaloto satria hihinana ny Paska izy ireo.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia nentiny niala tao amin’i Kaifa i Jesoa ho any an-tranon’ny governora. Efa maraina ny andro tamin’izay. Tsy niditra tao an-trano anefa izy ireo, fandrao voaloto ka tsy afa-mihinana ny Paka.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia nentina niala tao amin’i Kaiafa i Jesoa ho any an-dapan’ny governora. Mbola maraina be ny andro tamin’izay. Tsy niditra tao an-dapa anefa ry zareo manampahefana jiosy mba tsy ho voaloto ary mba ho afa-mihinana ny sakafo Paska.
Malagasy Bible 1865
Ary Jesosy dia nentiny niala tao amin'i Kaiafa ho ao anatirova; ary maraina koa ny andro tamin'izay; nefa ireo tsy niditra tao anati-rova, fandrao ho voaloto, fa efa hihinana ny Paska izy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary noentiny niala tao amin’i Kaiafa ho ao anaty lapa Jesosy; vao maraina ny andro tamin’izay; nefa tsy niditra tao anaty lapa ireo, fandrao ho voaloto satria hihinana ny Paska* izy ireo.
malagasy
Ary Jesosy dia nentiny niala tao amin'i Kaiafa ho ao anatirova; ary maraina koa ny andro tamin'izay; nefa ireo tsy niditra tao anati-rova, fandrao ho voaloto, fa efa hihinana ny Paska izy.