John 18:36 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Hoy Jesosy hoe: Ny fanjakako dia tsy avy amin’izao tontolo izao; fa raha mba avy amin’izao tontolo izao ny fanjakako dia ho niady ny mpanompoko mba tsy ho voatolotra tamin’ny Jiosy Aho; nefa amin’izao fotoana izao tsy avy amin’izany ny fanjakako.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
I Jesoa namaly hoe: «Tsy anisan’izao tontolo izao ny fanjakako: fa raha anisan’izao tontolo izao ny fanjakako, dia ho niady ny oloko, ka tsy ho voarain’ny Jody Aho; fa tsy anisan’izao tontolo izao ny fanjakako.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia novalian’i Jesoa hoe: –Tsy anisan’ izao tontolo izao ny Fanjakàko; fa raha an’izao tontolo izao ny Fanjakàko, dia ho niady ny mpanompoko mba tsy ho voatolotra tamin’ny manampahefana jiosy Aho; kanefa tsy anisan’izao etỳ izao ny Fanjakàko.
Malagasy Bible 1865
Jesosy namaly hoe: Ny fanjakako tsy avy amin'izao tontolo izao; fa raha mba avy amin'izao tontolo izao ny fanjakako, dia ho niady ny mpanompoko, mba tsy ho voatolotra tamin'ny Jiosy Aho; nefa ankehitriny tsy avy amin'izany ny fanjakako.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Hoy Jesosy hoe: Ny fanjakako dia tsy avy amin’izao tontolo izao; fa raha mba avy amin’izao tontolo izao ny fanjakako dia ho niady ny mpanompoko mba tsy ho voatolotra tamin’ny Jiosy Aho; nefa amin’izao fotoana izao tsy avy amin’izany ny fanjakako.
malagasy