John 18:37 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary hoy i Pilato taminy: Mpanjaka ary va Ianao? Dia namaly Jesosy hoe: Voalazanao fa mpanjaka Aho. Izao no nahaterahako, ary izao no niaviako amin’izao tontolo izao, dia ny hanambara ny marina. Izay rehetra avy amin’ny marina dia mihaino ny feoko.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia hoy i Pilaty taminy: «Koa mpanjaka izany Ianao?» Ary novalian’i Jesoa hoe: «Efa voalazanao, Mpanjaka Aho. Teraka Aho, sy tonga tatỳ an-tany mba hanambara ny marina, ka izay rehetra mpanaraka ny marina, dia mihaino ny feoko.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ary hoy i Pilato taminy: –Koa Mpanjaka izany Ianao? I Jesoa kosa namaly hoe: –Voalazanao fa Mpanjaka Aho. Izao no nahaterahako ary izao no niaviako eto amin’izao tontolo izao: dia ny ho vavolombelona hanambara ny marina. Izay rehetra mpiandany amin’ny marina dia mihaino ny feoko.
Malagasy Bible 1865
Ary hoy Pilato taminy: Mpanjaka va ary Hianao? Jesosy namaly hoe: Voalazanao fa mpanjaka Aho. Izao no nahaterahako, ary izao no nihaviako amin'izao tontolo izao, dia ny hanambara ny marina. Izay rehetra avy amin'ny marina dia mihaino ny feoko.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary hoy i Pilato taminy: Mpanjaka ary va Ianao? Dia namaly Jesosy hoe: Voalazanao fa mpanjaka Aho. Izao no nahaterahako, ary izao no niaviako amin’izao tontolo izao, dia ny hanambara ny marina. Izay rehetra avy amin’ny marina dia mihaino ny feoko.
malagasy