John 18:38 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Hoy Pilato taminy: Inona ny marina? Rehefa avy nanontany izany izy dia nivoaka nankeo amin’ny Jiosy indray ka niteny taminy hoe: Tsy hitako izay helony na dia kely akory aza.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
«Inona ny marina?» hoy i Pilaty taminy. Fa nony voalazany izany, dia nivoaka nankeo amin’ny Jody indray izy ka nanao tamin’ireo hoe: «Raha izaho, dia tsy mahita izay helony na dia iray aza;
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia hoy i Pilato taminy: –Inona no marina? Avy nanontany izany i Pilato, dia nivoaka nankeo amin’ny Jiosy indray ka nanao taminy hoe: –Izaho dia tsy mahita izay helony, na dia iray aza!
Malagasy Bible 1865
Hoy Pilato taminy: Inona no marina? Ary rehefa nanontany izany izy, dia nivoaka nankeo amin'ny Jiosy indray ka nanao taminy hoe: Tsy hitako izay helony, na dia kely akory aza.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Hoy Pilato taminy: Inona ny marina? Rehefa avy nanontany izany izy dia nivoaka nankeo amin’ny Jiosy* indray ka niteny taminy hoe: Tsy hitako izay helony na dia kely akory aza.
malagasy
Hoy Pilato taminy: Inona no marina? Ary rehefa nanontany izany izy, dia nivoaka nankeo amin'ny Jiosy indray ka nanao taminy hoe: Tsy hitako izay helony, na dia kely akory aza.