John 19:12 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Hatreo dia nitady hanafaka Azy i Pilato; nefa niantsoantso ny Jiosy hoe: Raha afahanao io lehilahy io dia tsy mba sakaizan’i Kaisara ianao; fa izay rehetra manao ny tenany ho mpanjaka dia manao teny manohitra an’i Kaisara.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Hatramin’izay dia nitady handefa Azy i Pilaty. Fa nantsointsoin’ny Jody hoe: «Raha mandefa Io ianao, dia tsy mba sakaizan’i Sezara, satria izay manao ny tenany ho mpanjaka dia mitsangan-kanohitra an’i Sezara.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Noho izany, dia nitady handefa Azy i Pilato, saingy nantsoantsoin’ny Jiosy hoe: –Raha alefanao ilay io, dia tsy mba sakaizan’ny amperôra rômanina ianao; fa izay rehetra manao ny tenany ho mpanjaka, dia manohitra ny amperôra rômanina.
Malagasy Bible 1865
Ary hatramin'izany dia nitady handefa Azy Pilato; nefa ny Jiosy niantso ka nanao hoe: Raha alefanao io Lehilahy io, dia tsy mba sakaizan'i Kaisara ianao; fa izay rehetra manao ny tenany ho mpanjaka dia manao teny manohitra an'i Kaisara.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Hatreo dia nitady hanafaka Azy i Pilato; nefa niantsoantso ny Jiosy hoe: Raha afahanao io lehilahy io dia tsy mba sakaizan’i Kaisara ianao; fa izay rehetra manao ny tenany ho mpanjaka dia manao teny manohitra an’i Kaisara.
malagasy
Ary hatramin'izany dia nitady handefa Azy Pilato; nefa ny Jiosy niantso ka nanao hoe: Raha alefanao io Lehilahy io, dia tsy mba sakaizan'i Kaisara ianao; fa izay rehetra manao ny tenany ho mpanjaka dia manao teny manohitra an'i Kaisara. [ Na: noho izany]