John 19:15 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Fa niantsoantso ireo hoe: Vonoy, vonoy, homboy amin’ny hazofijaliana Izy! Hoy Pilato tamin’izy ireo: Hohomboiko amin’ny hazofijaliana va ny Mpanjakanareo? Dia hoy ireo lehiben’ny mpisorona hoe: Tsy manana mpanjaka afa-tsy Kaisara izahay.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Fa niantsoantso izy ireo nanao hoe: «Esory, esory, fantsiho amin’ny Hazofijaliana Izy.» Ka hoy i Pilaty taminy: «Dia hofantsihako amin’ny Hazofijaliana ve ny Mpanjakanareo?» Fa hoy ny lohan’ny mpisorona hoe: «Izahay tsy mana-mpanjaka afa-tsy i Sezara.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Fa niantsoantso ireo nanao hoe: –Vonoy, vonoy, homboy amin’ny hazofijaliana io! Dia hoy i Pilato taminy: –Dia hohomboako amin’ny hazofijaliana ve ny Mpanjakanareo? Ka novalian’ny lohandoha-mpisorona hoe: –Tsy manana mpanjaka afa-tsy ny amperôra rômanina izahay.
Malagasy Bible 1865
Fa niantso ireo hoe: Ento, ento, homboy amin'ny hazo fijaliana Izy! Hoy Pilato taminy: Hohomboako amin'ny hazo fijaliana va ny Mpanjakanareo? Ny lohan'ny mpisorona namaly hoe: Tsy manana mpanjaka afa-tsy Kaisara izahay.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Fa niantsoantso ireo hoe: Vonoy, vonoy, homboy amin’ny hazofijaliana Izy! Hoy Pilato tamin’izy ireo: Hohomboiko amin’ny hazofijaliana va ny Mpanjakanareo? Dia hoy ireo lehiben’ny mpisorona hoe: Tsy manana mpanjaka afa-tsy Kaisara izahay.
malagasy