John 19:20 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary izany anarana izany dia novakin’ny Jiosy maro, fa akaikin’ny tanàna ny toerana izay nanomboana an’i Jesosy tamin’ny hazofijaliana; voasoratra tamin’ny teny hebreo sy romana ary grika izany soratra izany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Betsaka ny Jody namaky io soratra io, fa akaikin’ny tanàna ny toerana namantsihana an’i Jesoa; sady vita tamin’ny teny hebrio sy grika ary latinina ny soratra.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Izany soratra izany dia novakîn’ny Jiosy maro, fa akaikin’ny tanàna ilay toerana nanomboana an’i Jesoa tamin’ny hazofijaliana; sady natao tamin’ny teny hebreo sy latinina ary grika izany soratra izany.
Malagasy Bible 1865
Ary izany anarana izany dia novakin'ny Jiosy maro, fa akaikin'ny tanàna ny tany izay nanomboana an'i Jesosy tamin'ny hazo fijaliana; ary voasoratra tamin'ny teny Hebreo sy Romana sy Grika izany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary izany anarana izany dia novakin’ny Jiosy* maro, fa akaikin’ny tanàna ny toerana izay nanomboana an’i Jesosy tamin’ny hazofijaliana; voasoratra tamin’ny teny hebreo sy romana ary grika izany soratra izany.
malagasy
Ary izany anarana izany dia novakin'ny Jiosy maro, fa akaikin'ny tanàna ny tany izay nanomboana an'i Jesosy tamin'ny hazo fijaliana; ary voasoratra tamin'ny teny Hebreo sy Romana sy Grika izany.