John 19:23 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Rehefa voahombon’ny miaramila tamin’ny hazofijaliana Jesosy dia nalainy ny fitafiany ka nozarainy efatra, samy nanana ny anjarany avy ny miaramila; nalainy koa ny akanjony; tsy nisy vitrana izany akanjony izany fa tenona iray ihany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Rehefa voafantsiky ny miaramila tamin’ny Hazofijaliana Izy, nalainy ny fitafiany ka nozarainy efatra, dia samy nanana ny anjarany avy izy; toy izany koa ny akanjony rebareba. Saingy tsy nizaitra kosa ny akanjony, fa tenona iray ihany hatrany ambony ka hatrany ambany,
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Rehefa voahombon’ny miaramila tamin’ny hazofijaliana i Jesoa, dia nalainy ny fitafiany ka nozarainy efatra: samy nanana ny anjarany avy ny miaramila. Ary nalainy koa ny akanjony rebareba, saingy tsy nisy vitrana ilay akanjony fa tenona iray ihany hatrany ambony ka hatrany ambany;
Malagasy Bible 1865
Ary rehefa voahombon'ny miaramila tamin'ny hazo fijaliana Jesosy, dia nalainy ny fitafiany ka nozarainy efatra, samy nanana ny anjarany avy ny miaramila; ary ny akanjony koa; fa tsy nisy vitrana ny akanjony, fa tenona iray ihany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Rehefa voahombon’ny miaramila tamin’ny hazofijaliana Jesosy dia nalainy ny fitafiany ka nozarainy efatra, samy nanana ny anjarany avy ny miaramila; nalainy koa ny akanjony; tsy nisy vitrana izany akanjony izany fa tenona iray ihany.
malagasy