John 19:24 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia niresaka izy ireo hoe: Aza triarintsika ity fa aoka hanaovantsika antsapaka ny amin’izay hahazo azy; mba hahatanteraka ny Soratra Masina hoe: «Nozarainy ny fitafiako ary nanaovany antsapaka ny akanjoko» (Sal 22.18). Izany zavatra izany no nataon’ny miaramila.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
ka nifampilaza izy ireo hoe: «Aoka tsy hotriarintsika izy, fa aoka hilokàntsika, dia ho lasan’izay hahazo ny loka.» Koa tanteraka tamin’izany ny Soratra Masina manao hoe: Nozarainy ny fitafiako, ary nilokany ny akanjoko. Dia izany no nataon’ny miaramila.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
dia nifampiresaka ireo hoe: –Aza triarina fa aoka hilokantsika, dia ho lasan’izay hahazo ny loka. Izany dia mba hahatanteraka ny Soratra Masina manao hoe: «Nifampizaran’ireo ny fitafiako ary nilokany ny akanjoko.» Dia izany no nataon’ny miaramila.
Malagasy Bible 1865
Dia niresaka hoe izy: Aza mba triarintsika, fa aoka hilokantsika ho an'izay hahazo azy; mba hahatanteraka ny Soratra Masina manao hoe: Nozarainy ny fitafiako, ary nilokany ny akanjoko (Sal. 22. 18). Izany zavatra izany no nataon'ny miaramila.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia niresaka izy ireo hoe: Aza triarintsika ity fa aoka hanaovantsika antsapaka ny amin’izay hahazo azy; mba hahatanteraka ny Soratra Masina hoe: «Nozarainy ny fitafiako ary nanaovany antsapaka ny akanjoko» (Sal 22.18). Izany zavatra izany no nataon’ny miaramila.
malagasy