John 19:31 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary satria andro fiomanana ny andro dia nangataka tamin’i Pilato ny Jiosy mba hotapahina ny ranjon’ireo ka hesorina ny faty, mba tsy ho tratry ny andro Sabata eo amin’ny hazofijaliana, satria andro lehibe izany Sabata izany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary andro fiomanana tamin’izay, ka nangataka tamin’i Pilaty ny Jody mba hotapahina ny ranjon’izy ireo, dia hoesorina, mba tsy hisy faty mihantona amin’ny hazofijaliana amin’ny andro sabata (fa andro lehibe izany sabata izany).
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ary satria fiomanana tamin’izay, dia nangatahin’ny manampahefana jiosy tamin’i Pilato ny hanapahana ny ranjon’ireo voahombo sy hanesorana ny fatiny mba tsy hisy tavela eo amin’ny hazofijaliana ny andro sabata, satria andro lehibe izany sabata izany.
Malagasy Bible 1865
Ary satria andro fiomanana ny andro, dia nangataka tamin'i Pilato ny Jiosy mba hotapahina ny ranjon'ireo, ary hesorina ny faty, mba tsy ho tratry ny andro Sabata eo amin'ny hazo fijaliana, satria andro lehibe izany Sabata izany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary satria andro fiomanana ny andro dia nangataka tamin’i Pilato ny Jiosy* mba hotapahina ny ranjon’ireo ka hesorina ny faty, mba tsy ho tratry ny andro Sabata eo amin’ny hazofijaliana, satria andro lehibe izany Sabata izany.
malagasy
Ary satria andro fiomanana ny andro, dia nangataka tamin'i Pilato ny Jiosy mba hotapahina ny ranjon'ireo, ary hesorina ny faty, mba tsy ho tratry ny andro Sabata eo amin'ny hazo fijaliana, satria andro lehibe izany Sabata izany.