John 19:38 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Taorianan’izany dia nangataka tamin’i Pilato i Josefa avy any Arimatia mba hahazoany manaisotra ny fatin’i Jesosy. Mpianatr’i Jesosy i Josefa, nefa tamin’ny mangingina ihany noho ny fahatahorany ny Jiosy. Nomen’i Pilato lalana izy. Dia lasa izy ka nanaisotra ny fatin’i Jesosy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Rehefa afaka izany, i Josefa avy any Arimatia, izay mpianatr’i Jesoa an-tsokosoko noho ny fahatahorany ny Jody dia nangataka tamin’i Pilaty mba haka ny fatin’i Jesoa, ka neken’i Pilaty izany. Dia lasa izy naka ny fatin’i Jesoa.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Taorian’izany, dia nangataka tamin’i Pilato i Jôsefa avy any Harimatia, mba hahazo manaisotra ny vatan’i Jesoa. Mpianatr ’i Jesoa i Jôsefa, saingy an-tsokosoko noho izy natahotra ireo manampahefana jiosy. Neken’i Pilato ny fangatahany, ka dia lasa izy nanaisotra ny vatan’i Jesoa.
Malagasy Bible 1865
Ary rehefa afaka izany, Josefa avy any Arimatia (mpianatr'i Jesosy izy, nefa tamin'ny mangingina ihany noho ny fahatahorany ny Jiosy) dia nangataka tamin'i Pilato, mba hahazoany manaisotra ny fatin'i Jesosy. Ary nanaiky Pilato. Dia lasa izy ka nanaisotra ny fatin'i Jesosy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Taorianan’izany dia nangataka tamin’i Pilato i Josefa avy any Arimatia mba hahazoany manaisotra ny fatin’i Jesosy. Mpianatr’i Jesosy i Josefa, nefa tamin’ny mangingina ihany noho ny fahatahorany ny Jiosy*. Nomen’i Pilato lalana izy. Dia lasa izy ka nanaisotra ny fatin’i Jesosy.
malagasy
Ary rehefa afaka izany, Josefa avy any Arimatia (mpianatr'i Jesosy izy, nefa tamin'ny mangingina ihany noho ny fahatahorany ny Jiosy) dia nangataka tamin'i Pilato, mba hahazoany manaisotra ny fatin'i Jesosy. Ary nanaiky Pilato. Dia lasa izy ka nanaisotra ny fatin'i Jesosy.