John 2:10 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
ka niteny taminy hoe: Araka ny fanaon’ny olona dia ny divay tsara aloha no arosony; fa rehefa mitady ho mamo ny olona dia izay vao ny ratsiratsy kokoa; fa ianao kosa dia nitahiry ny divay tsara ambaraka ankehitriny.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
ka nanao taminy hoe: «Ny an’ny olona rehetra, dia ny divay tsara no arosony aloha, ary rehefa nisotro be ny olona vao arosony izay tsy tsara loatra; fa ny anao kosa, dia ny divay tsara indray no notahirizinao mandraka ankehitriny.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
ka nilaza taminy hoe: –Ny an’ny olona rehetra dia ny divay tsara no arosony aloha; ary rehefa mamomamo ny nasaina, vao arosony izay ratsiratsy kokoa. Fa ianao kosa dia nitahiry ny divay tsara hatramin’izao!
Malagasy Bible 1865
ka nanao taminy hoe: Araka ny fanaon'ny olona dia ny divay tsara no arosony aloha; ary rehefa nisotro be ny olona, dia vao izay ratsiratsy kokoa; fa ianao kosa dia efa nitahiry ny divay tsara ambaraka ankehitriny.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
ka niteny taminy hoe: Araka ny fanaon’ny olona dia ny divay tsara aloha no arosony; fa rehefa mitady ho mamo ny olona dia izay vao ny ratsiratsy kokoa; fa ianao kosa dia nitahiry ny divay tsara ambaraka ankehitriny.
malagasy