John 20:15 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Hoy Jesosy taminy: Ravehivavy, nahoana ianao no mitomany? Iza no tadiavinao? Nataony fa mpiandry saha Izy ka hoy izy Taminy: Tompoko, raha Ianao no naka Azy teto, lazao amiko izay nametrahanao Azy, fa izaho no haka Azy any.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary hoy i Jesoa taminy: «Ravehivavy, nahoana no mitomany ianao? Iza no tadiavinao?» Nataony ho mpiandry saha io, ka hoy izy taminy: «Raha ianao re no naka Azy, Tompoko, mba atoroy ahy kely izay nametrahanao Azy, hangalako Azy.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia hoy Jesoa taminy: –Nahoana ianao, ramatoa, no mitomany? Iza no tadiavinao? Noheverin’i Maria ho mpiandry saha io, ka nataony hoe: –Raha Ianao re, Tompoko, no naka Azy, mba lazao amiko izay nametrahanao Azy, hangalako Azy!
Malagasy Bible 1865
Hoy Jesosy taminy: Ravehivavy, nahoana ianao no mitomany? iza no tadiavinao? Nataony fa mpiandry saha Izy, ka hoy izy taminy: Tompoko, raha Hianao no naka Azy teto, lazao amiko izay nametrahanao Azy, ary izaho dia haka Azy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Hoy Jesosy taminy: Ravehivavy, nahoana ianao no mitomany? Iza no tadiavinao? Nataony fa mpiandry saha Izy ka hoy izy Taminy: Tompoko, raha Ianao no naka Azy teto, lazao amiko izay nametrahanao Azy, fa izaho no haka Azy any.
malagasy