John 20:19 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Nony harivan’ilay andro voalohany amin’ny herinandro, raha voarindrina ny varavaran’ny toerana izay niangonan’ny mpianatra, noho ny fahatahorany ny Jiosy, dia tonga Jesosy ka nitsangana teo afovoany sady niteny taminy hoe: Fiadanana ho anareo!
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Androtr’izay ihany, izany hoe harivan’ilay andro voalohan’ny herinandro, raha nirindrina ny varavaran’ny trano nivorian’ny mpianatra noho ny fahatahorany ny Jody, dia tonga i Jesoa ka nitsangana teo afovoany, sy nilaza tamin’ireo hoe: «Ho aminareo anie ny fiadanana!»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ny harivan’io alahady io ihany, dia vory tao amin’ny trano iray ny mpianatra; ary noho izy ireo natahotra ny manampahefana jiosy, dia voahidy avokoa ny varavarana. Kanefa tonga i Jesoa nijoro teo afovoan’ny mpianatra ary nanao taminy hoe: –Ho ao aminareo anie ny fiadanana!
Malagasy Bible 1865
Ary rehefa harivan'ilay andro voalohany amin'ny herinandro, raha voarindrina ny varavaran'izay niangonan'ny mpianatra, noho ny fahatahorany ny Jiosy, dia tonga Jesosy ka nitsangana teo afovoany, dia nanao taminy hoe: Fiadanana ho anareo.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Nony harivan’ilay andro voalohany amin’ny herinandro, raha voarindrina ny varavaran’ny toerana izay niangonan’ny mpianatra, noho ny fahatahorany ny Jiosy*, dia tonga Jesosy ka nitsangana teo afovoany sady niteny taminy hoe: Fiadanana ho anareo!
malagasy
Ary rehefa harivan'ilay andro voalohany amin'ny herinandro, raha voarindrina ny varavaran'izay niangonan'ny mpianatra, noho ny fahatahorany ny Jiosy, dia tonga Jesosy ka nitsangana teo afovoany, dia nanao taminy hoe: Fiadanana ho anareo.