John 20:25 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia hoy ny mpianatra sasany taminy: Efa nahita ny Tompo izahay. Fa hoy kosa izy: Raha tsy hitako eo amin’ny tanany ny holatra navelan’ny fantsika ka atehiko eo amin’ny holatra navelan’ny fantsika ny rantsan-tanako, ary ataoko eo amin’ny lanivoany koa ny tanako dia tsy mba hino aho.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ka hoy ireto mpianatra sasany taminy: «Efa nahita ny Tompo izahay.» Fa hoy izy tamin’ireo: «Raha tsy hitako ao amin’ny tanany ny loaky ny fantsika ka atsofoko eo amin’ny loaky ny fantsika ny rantsan-tanako, ary atehiko amin’ny tratrany ny tanako, dia tsy hino aho.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ka hoy ny mpianatra sasany tamin’i Tômà: –Efa nahita ny Tompo izahay! Fa hoy i Tômà taminy: –Raha tsy hitako eo amin’ny tanany roa ny loaky ny fantsika, ka atsofoko eo amin’ny loaky ny fantsika ny rantsan-tanako, ary atsofoko eo amin’ny fony ny tanako, dia tsy mba hino aho.
Malagasy Bible 1865
Dia hoy ny mpianatra sasany taminy: Efa nahita ny Tompo izahay. Fa hoy kosa izy taminy: Raha tsy hitako eo amin'ny tànany ny holatry ny nohomboana, ka ataoko eo amin'ny holatry ny nohomboana ny rantsan-tanako, ary ataoko eo amin'ny lanivoany koa ny tanako, dia tsy mba hino aho.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia hoy ny mpianatra sasany taminy: Efa nahita ny Tompo izahay. Fa hoy kosa izy: Raha tsy hitako eo amin’ny tanany ny holatra navelan’ny fantsika ka atehiko eo amin’ny holatra navelan’ny fantsika ny rantsan-tanako, ary ataoko eo amin’ny lanivoany koa ny tanako dia tsy mba hino aho.
malagasy