John 21:11 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia niakatra i Simona Petera ka nosarihany ho eo an-tanety ny harato feno hazandrano vaventy, telo amby dimampolo amby zato; ary na dia be tahaka izany aza ny hazandrano dia tsy triatra ny harato.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia niakatra i Simôna Piera, ka nitarika ny harato feno hazandrano vaventy telo amby dimampolo amby zato; nefa tsy rovitra ny harato, na dia betsaka toy izany aza izy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia niakatra tao an-tsambokely i Simôna Petera, ka nisarika ho eo an-tanety ny harato feno trondro vaventy 153; kanefa na dia betsaka tahaka izany aza ny trondro, dia tsy triatra ny harato.
Malagasy Bible 1865
Dia niakatra Simona Petera, ka nosarihany ho eo an-tanety ny harato feno hazandrano vaventy, telo amby dimam-polo amby zato; ary na dia be tahaka izany aza izy, dia tsy triatra ny harato.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia niakatra i Simona Petera ka nosarihany ho eo an-tanety ny harato feno hazandrano vaventy, telo amby dimampolo amby zato; ary na dia be tahaka izany aza ny hazandrano dia tsy triatra ny harato.
malagasy
Dia niakatra Simona Petera, ka nosarihany ho eo an-tanety ny harato feno hazandrano vaventy, telo amby dimam-polo amby zato; ary na dia be tahaka izany aza izy, dia tsy triatra ny harato.