John 21:15 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Rehefa nisakafo izy ireo dia hoy Jesosy tamin’i Simona Petera: Ry Simona, zanak’i Jaona, moa ny fitiavanao Ahy mihoatra noho ny fitiavan’ireto? Hoy izy Taminy: Eny, Tompoko; Ianao mahalala fa tia Anao aho. Dia hoy Izy taminy: Fahano ary ny ondrikeliko.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nony avy nisakafo izy ireo, dia hoy i Jesoa tamin’i Simôna Piera: «Ry Simôna zanak’i Joany, moa tia Ahy mihoatra noho ireto va ianao?» Ka hoy ny navaliny Azy: «Eny, Tompoko, fantatrao fa tiako Ianao.» Dia hoy Izy taminy: «Fahano ny zanak’ondriko.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Rehefa avy nisakafo ireo mpianatra, dia hoy i Jesoa tamin’i Simôna Petera: –Ry Simôna zanakalahin’i Jôhany, moa tia Ahy mihoatra noho ny itiavan’ireto Ahy ve ianao? Ka novaliany hoe: –Eny, ry Tompo, fantatrao fa tiako Ianao. Dia hoy Izy taminy: –Fahano ireo zanakondriko.
Malagasy Bible 1865
Ary rehefa nisakafo izy, dia hoy Jesosy tamin'i Simona Petera: Simona, zanak'i Jaona, moa ny fitiavanao Ahy mihoatra noho ny fitiavan'ireto? Hoy izy taminy: Eny, Tompoko; Hianao mahalala fa tia Anao aho. Dia hoy Izy taminy: Fahano ary ny ondrikeliko.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Rehefa nisakafo izy ireo dia hoy Jesosy tamin’i Simona Petera: Ry Simona, zanak’i Jaona, moa ny fitiavanao Ahy mihoatra noho ny fitiavan’ireto? Hoy izy Taminy: Eny, Tompoko; Ianao mahalala fa tia Anao aho. Dia hoy Izy taminy: Fahano ary ny ondrikeliko.
malagasy