John 21:18 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Lazaiko aminao marina dia marina tokoa: Raha mbola tanora ianao dia nisikina ka nandeha tamin’izay tianao; fa rehefa antitra kosa ianao dia hanatsotra ny tananao ary olon-kafa no hanikina anao ka hitondra anao amin’izay tsy tianao.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Lazaiko marina dia marina aminao: Fony mbola tanora ianao, dia nahasikin-tena, sy nandeha tamin’izay tianao haleha; fa rehefa antitra kosa ianao, dia hiraviravy ny tananao, ka olon-kafa no hanasikina anao, sy hitondra anao amin’izay tsy tianao.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Lazaiko marina dia marina aminao fa fony mbola tanora ianao, dia nahasikin-tena sy nandeha tamin’izay tianao haleha; fa rehefa antitra kosa ianao, dia hatsotranao ny tananao, ka olon-kafa no hanikina anao sy hitondra anao amin’izay tsy tianao haleha.
Malagasy Bible 1865
Lazaiko aminao marina dia marina tokoa: Raha mbola tanora ianao, dia nisikina ka nandeha tamin'izay tianao; fa rehefa antitra kosa ianao, dia haninjitra ny tananao, ary olon-kafa no hanikina anao ka hitondra anao amin'izay tsy tianao.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Lazaiko aminao marina dia marina tokoa: Raha mbola tanora ianao dia nisikina ka nandeha tamin’izay tianao; fa rehefa antitra kosa ianao dia hanatsotra ny tananao ary olon-kafa no hanikina anao ka hitondra anao amin’izay tsy tianao.
malagasy